Nitrangana vono olona niafara tamin’ny famoizana aina nataon’ny tsy salama saina iray, tany amin’ny fokontany Sahafôtaka, kaominina Vohipeno, distrikan’i Fenoarivo atsinanana, ny herinandro teo.
Voavely fanoto, namoy ny ainy
Rehefa nigadona ny tamin’ny 11 ora alina, ny alakamisy lasa teo, tonga nandondona tao amin’i Théophile, izay niharam-boina ilay rangahy tsy salama saina. Ity farany izay monina ihany koa ao amin’ny fokontany Sahafôtaka. Vao vantany nivoaka ny trano anefa i Théophile avy hatrany dia voavelin’ny fanoto ny lohany. Maty tsy tra-drano vokatr’izany ity farany.
Nifanenjehan’ireo fianakaviana sy ny ny fokonolona eran’ny tanàna ilay nahavanon-doza. Vokany, namoy ny ainy noho ny fitsaram-bahoaka nihatra taminy ilay tsy salama saina. Efa nidina any an-toerana ireo zandary hanao ny fanadihadiana manodidina ny raharaha.
Mila handraisana fepetra hentitra toy ny fampidirana azy ireny any amin’ny toera-pitsaboana voatokana, araka izany, ny fisian’ireo tsy salama saina tazana miriorio etsy sy eroa mba tsy hitera-doza ho an’ny mpiara-monina izy ireny. Tsy ny any Fenoarivo atsinanana ihany fa ny eto an-drenivohitra dia ahatazanana olona tsy salama saina saika manerana ny tanàna mihitsy.


