TAOSARY : Fantaro ny « Pointillisme »

Izay rehetra nijery, gaga avokoa ! Tsy toy ny fahita hatramin’izay fa sary tapaka vita tamin’ny tangoron-teboka maro kanefa maneho endrika olona mazava tanteraka. Ankehitriny efa voafehin’ny mpanao hosodoko malagasy vitsivitsy ihany koa ny fanajariana sary amin’ny famolahana ny « pointillisme ».

Tsy mampiasa tsipika

« Pointillisme » no iantsoan’ny mpanao sary azy ity. Azo adika amin’ny hoe sary vita amin’ny teboteboka maro be tokoa. Izany hoe, tsy mampiasa tsipika mihitsy fa teboka ihany. Eo am-panombohana (esquisse), mampiasa pensily hazo. Tohizana amin’ny fametrahana ny teboteboka amin’izay avy eo. Tsy azo atao diso mihitsy fa raha vao misy diso kely, tsy maintsy averina iray manontolo. Tsy maintsy mahafehy ny aloka sy hazavana tsara. Mila hay tsara ny ambaratongan’ireo. Ny teboka mivangongo, manome ny haizina. Tsy mora ny manao izay ! Penina sy « encre de Chine »  no tena tsara amin’ny fanaovana ny « pointillisme ».

Vitsy, mila fotoana sy fitandremana fatratra

Mbola vitsy dia vitsy ny manao ny « pointillisme » na hatrany Dilambato aza. Mandany fotoana ela izy io. Raha indray andro, ohatra, ny manatontosa « portrait » na sary tapaka iray amin’ny pensily hazo, herinandro kosa vao vita raha manao izany amin’ny sary tebotebohana. Faharoa, mila mitandrina be amin’ny fahasalamana satria faran’izay mankarary maso ny fanaovana « pointillisme ». Tsy azo ijanonana ela izy fa tsy maintsy miato kely (mety ho minitra, na ora na andro mihitsy aza) ianao, manohy indray avy eo. Toy izany hatrany. Hetahetan’ireo mpanao hosodoko hatrany ny hijoroan’ny sekolin’ny kanto ahafahana mandalina amin’ny fomba manara-penitra sy eken’ny maneran-tany ny haisary. Eo ihany koa ny tokony hananganana malaky ny toerana ahazoana mampiranty ireo taokanton’izy ireo. Hatreto ! mbola tsy misy mihaino ireo mpanao hosodoko manan-talenta malagasy.

Vous aimerez aussi