CORONAVIRUS : 63 indray ny tranga vaovao, 1 namoy ny ainy

1 indray no namoy ny ainy noho ny tsimokaretina coronavirus, araka ny fanambarana ofisialy androany. Vehivavy izy io ary notsaboana tao Morafeno Toamasina. Mahatratra 16  ny isan’ireo namoy ny ainy hatreto.

Tranga miisa 63 vaovao indray no voatily androany ka ny 38 teto Antananarivo, Moramanga 20, Toamasina 3, Mahajanga 1, Anosibe an’ala 1. Miisa 458 ny fitiliana nataon’ireo laboratoara telo nahazoana ity tarehimarika ity. Tafakatra  1 787 araka izany ny isan’ireo voa hatramin’izay.

Nisy 47 kosa no sitrana androany, ka 25 tao Toamasina ary 22 kosa teto Antananarivo. 779 izany ireo sitrana hatrizay.

Miisa 993 kosa ireo an-dàlam-pitsaboana, ka ny 8 amin’izy ireo no manana fahasarotana ara-pisefoana.

Ary 19 392 ny isan’ny fitiliana vita hatrizay.

Zava-doza ny piti-drora

Misy hatrany ny tranga vaovao ary tsy mba vitsivitsy. Midika izany fa mbola hitombo ny tarehimarika, indrindra fa hitombo ny isan’ireo fitiliana.

Mila mitandrina hatrany ny rehetra, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao, izay tsy maintsy hihaonan’ny mpianakavy. Tsy ho voarara manko raha eto amintsika izany elanelana iray metatra izany ka aleo ny fiarovantena amin’ny alalan’ny sarontava no hamafisina.

Amin’ny fotoana fihaonana mihitsy no ilaina ny sarom-bava mba hialana amin’ny fipitihan’ny rora, izay mpitondra ny tsimokarertina. Noho izany, tsy tokony hiala mihitsy iny, indrindra rehefa miresaka.

Vous aimerez aussi