TSIFANDRIAMPAHALEMANA : Mahazo vahana, tsy ahitana vahaolana

Mila handraisana fepetra hentitra sy maika ny sehatry ny tsifandriampahalemana eto amintsika. Mampiteny ny moana ny fahitana ny firongatr’izany izay miseho amin’ny endrika samihafa. Azo ambara fa miitatra toy ny sima misioka mihitsy izy ity tato ho ato izao.

Tsy misy vokany

Maro ireo fanambarana miezinezina efa nataon’ireo mpisehatra eo amin’ny lafiny fampandriana fahalemana ny firenena fa efa amperiny amin’ny fandraisana andraikitra ho amin’izany ry zalahy ireo. Ankoatra io, narantiranty teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ireo fitaovam-piadiana raitra voambara fa entin’ireo mpitandro ny filaminana miaro ny Vahoaka sy ny fananany “hono”. Raha jerena anefa ny zavamisy etsy sy eroa tsy mandry fahalemana “Ramalagasy madinika”. Tsy andro tsy alina fa miaina tebiteby lalim-paka mandrakariva ny isan-tokonana. Ireo valalabemandry eny ambanivohitra sy ety an-drenivohitra moa dia mizaka ny tsy eran’ny ainy amin’ny afitsok’ireo jioalahy tsy vitan’ny mandrava fananana sy mandrombaka an-kery fotsiny ihany fa mandatsak’aina ary maka takalon’aina mihitsy aza.

Anisan’ny antony goavana mahatonga ny tsifandriampahalemana ny faharefon’ny toekarena malagasy, miampy ny fiparitahan’ireo fitaovam-piadiana mahery vaika saika manerana ny Nosy mihitsy ary ny mety ho fitavozavozan’ny mpitandro ny filaminana manatanteraka ny asany.

Vokany, mila hiraviravy tanana ny Malagasy noho tsy fisian’ny fandriampahalemana. Mihena ny risi-po hiasa sy hamokatra. Inoana fa tena ho matihanina araka ny ambarany ombieny ombieny ireo mpitandro ny filaminana ho amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana fa tsy ho zary resaka fampandriana adrisa fotsiny akory izany. Mila fahalemana rahateo Ramalagasy ahafahany miatrika am-pitoniana ny asa fampandrosoana. Raiso ny andraikitrareo ry mpitandro ny filaminana mba ho tena “mpiaro ny vahoaka sy ny fananany tokoa ianareo” fa tsy ho ” Mpiaro” fotsiny ny mpitondra sy ny fahefany ary ny fananan’izy ireo. Ho an’ny tanindrazana e !!!!

Vous aimerez aussi