Fampiasam-bola mahomby ny fampanofana trano eto an-drenivohitra. Maro, araka izany, ireo manangana trano ary onenan’ireo mpanofa ny ankamaroan’izy ireny.
Miroborobo fatratra
Anisan’ireo maro an’isa mandrafitra ireo mpitady trano aty an-drenivohitra ankoatra ireo mila trano onenana ireo orinasa madinika, salantsalany eny hatramin’ny vaventy izay samy mitady trano hatao birao fiasana. Misy ihany koa ireo mampiasa izany ho trano fivarotana. Midangana kokoa ny hofan-trano ho an’ity sokajy ity noho ny trano ampiasaina ho sehatra fampidiram-bola ho an’ireo mpanofa . Ireo trano miorina eny amoron-dalana no hifanotofan’ireo mpanofa eto. Vokany, vitsy amin’ireo trano miorina eny amoron-dalana no tsy onenana intsony fa lasa toeram-piasana tanteraka. Manodidina ny 1 tapitrisa ariary hatramin’ny 10 tapitrisa ny hofan’izy ireny.
Ireo mpila ravinahitra izany hoe olona ivelan’Antananarivo mandranto noho ny asa, fianarana, no ankamaroan’ireo mponina eto Iarivo. Tombanana ho ny 50 % n’ny mponina eo ho eo izy ireo. Saika manofa trano avokoa, araka izany, izy ireo. Voasokajy anatin’ireo manana fari-piainana antonony nefa mikaikaika fatratra amin’ny halafon’ny hofan-trano.
Sarotra
Sarotra ary mihasarotra hatrany ny sehatry ny fitadiavana trano hofaina eto an-drenivohitra. Miditra an-tsehatra ary mahazo vahana ireo mpanera. Manodidina ny 100 000 Ariary hatramin’ny 140 000 ny hofan’ny trano natao honenana. Efitra iray miampy lakozia kely no mandrafitra ity sokajy ity. Tsy mijanona hatreo ny fidangan’ny hofan-trano fa saika ahitana fiakarany hatrany amin’ny 20 % saika isan-taona.
Mitaky politika mazava sy matotra ny sehatry ny fanorenana trano fonenana eto an-drenivohitra mba isorohana ireo fanorenana tsy manara-penitra. Tsongaina amin’izany ireo trano miorina eny ambony lakan-drano sy ireo tsy manaraka akory ny drafim-pandaminana ny tanàn-dehibe ny fomba nananganana azy.


