Voaheloka hisazy 5 taona an-tranomaizina, sazy mihatra sy lamandy 1 tapitrisa ar ary onitra 220 tapitrisa ar i Fleury Rakotomalala, araka ny didy navoakan’ny Fitsarana, omaly.
Anisan’ny niampangana azy ny fifanolanany tamin’ny orinasa Société Madagascar Maintenance Pétrolière BTP (na ny MMP BTP).
Voaheloka ho mpisoloky, mpiray tsikombakomba, nanao fisandohana,…ity mpanao politika ity. Ny vadiny, Rasolomanana Faneva Kezia ihany koa dia voaheloka hizasy 3 taona an-tranomaizina, sazy mihantona.
Azo ampiharina ny sazy.
Marihina moa fa tsy monina eto Madagasikara intsony izy ireo fa mialokaloka any Frantsa any. Noho izany, mangataka fiaraha-miasa amin’ny Fitondrana frantsay ny Fitsarana malagasy amin’ny fampiharana ny sazin’ity voaheloka ity.
Araka ny lalàna dia azo atao tsara ny mampisambotra olona meloka iray na dia any ivelany aza ny tenany. Miankina indrindra amin’ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta anefa izany.
Noho izany, afaka misazy any ivelany izy raha toa ka mizaka ny zom-pirenen’ilay tany misy azy.
Fisolokiana.
Fisolokiana vola mitentina 197.050.000 ar no nitorian’ny orinasa MMP BTP ity mpanao politika ity noho ny raharaha nifanaovana tamin’ny taona 2017.
Nitonona ho Tale Jeneralin’ny orinasa JACO i Fleury Rakotomalala tamin’izany ary nanofa fitaovana roa lehibe, mba hanaovana asa fandamahana eny amin’ny By-Pass, ho an’ny toeram-piantsonana Fisandratana
Mbola nanofa fitaovam-baventin’ny MMP BTP roa hafa indray izy ny 03 aprily 2017 ihany
Nony tonga anefa ny faktiora ny 25 septambra 2017, izay mitentina 197.050.000 ar dia voalazan’ny banky fa tsy mbola voaefa izany
Rehefa nalefa ny taratasy fampahatsiahivana dia fantatra fa efa mikatona tanteraka ny orinasa JACO ary efa nitsoaka any Frantsa i Fleury Rakotomalala, Tale Jeneraliny.
Rehefa natao ny fanamarinana ny rejisitry ny raharaham-barotra sy ny orinasa eto Antananarivo dia tsikaritra fa tsy misoratra amin’izany akory ity orinasa JACO ity.
Andrasana, araka izany, izay hotohin’ity raharahan’ny kandidà Filoham-pirenena ity.


