MPANAO POLITIKA MALAGASY : Mila mandinin-tena lalina

Valifaty sy fitadiavana tombontsoa manokana hoa n’ny tena hatrany :  io no taratry ny vahoaka amin’ny fomba fiasan’ireo mpanao politika malagasy hatramin’izay ka hatramin’izao.

Toa volan-kakafotra izy ity, hoy ny maro, koa ny omaly tsy miova. Maro amin’ireo mpisehatra amin’ny lafiny politika eto Madagasikara tokoa mantsy no mbola miaina  sy manana ilay toe-tsaina lomorina tsy hiteraka fampandrosoana ny firenena sy tombontsoa ho an’ny vahoaka.

Niova

Niova ho sehatra ifamaliana bontana sy fifampiandrasana kendry tohana ny fampiasana ny politika eto an-tanàna ho an’ireo efa nanana olana na fomba fijery tsy mitovy tany aloha.

Lasa raiki-pohy ary tandra vadin-koditra eo amin’ireo samy mpanao politika ihany koa, ohatra ny fampidirana am-ponja tsy misy indrafo izay rehetra heverina fa “fahavalo politika”. Miara-dalana amin’ireo  ny fanaovana hatrany ho tantely afa-drakotra ireo harem-pirenena eto Gasikara ao anatin’ny fanaovana politika.

Leo ?

Maro amin-dRamalagasy no mitady halilo sofina raha vao mandre fotsiny ilay voambolana hoe : “Politika” sy ny manodidina azy. Tsy mahagaga loatra izany noho ireto farany mibaby takaitra sy fatiantoka ary mitondra faisana hatrany vokatry ny ataon’ireo mpanao politika maty eritreritra sy minia tsy mihaino ny feon’ny fieritreretany mandraka ankehitriny.

Manoloana ireo, manararaotra toy ny banga mihomehy alina ireo mpanao politika sasantsany ho amin’ny fambotriana ny vahoaka, fampiasana azy ireo hatrany ho fitaovana politika ho enti-mikatsaka sy mihaza seza ombam-pahefana.

Mila mihaino ny feon’ny fieritreretany ary mandini-tena fatratra, araka izany, ireo mpanao politika zatra ny lalan-dririnina fa raha mitohy ny tahaka izao mety hipoaka ihany ny tako-bilany ka samy ho sahirana eto isika mianakavy. Mbola tsy tratra aoriana ihany koa. Aleo mantsy misoroka toy izay mitsabo e !!!!

Vous aimerez aussi