Mba ho famerenana indray ny hasin’ny “Tsapiky” izay gadonkira teraka tany Toliara, ny taona 1970, dia hisy ny fanatanterahana ” Tsapiky Festival”, any Toliara, ny 27 sy 28 febroary 2026. Ity gadon-kira ity izay efa nankatoavin’ny “Unesco” ho harem-bakoka Iraisam-pirenena. Natokana ho fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Tsapiky araka izany, ny 10 desambra manomboka izao. Sambany no hisy ny fanamarihana izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, araka ny fanazavana voaray, teny Mahamasina, ny alakamisy 29 janoary 2026.


