Nifampiarahaba noho ny fahatratrarana ny taona vaovao ny avy ao amin’ny Fiaraha-monim-pirenena “Observatoire Mahitsy Fijery”, ny zoma 30 janoary 2026, teny Analakely. Ny jery todiky ny asa vita sy ny vina apetraka amin’ny ho avy no nasongadin’izy ireo, tamin’izany, tamin’ny alalan’ny Filoham-boninahitr’ity Fiaraha-monim-pirenena “Observatoire Mahitsy Fijery” ity, Ravololomanana Lalatiana.
Nitondra ny heviny amin’ny fahitan’izy ireo ny fitantanana ny firenena ihany koa ny Fiaraha-monim-pirenena ” Observatoire Mahitsy Fijery”. Navoitran’izy ireo tamin’izany fa mila tondrozotra mazava ny fitantanana ny firenena. Ny hevitry ny besinimaro no avondrona mba hahazoana io tondrozotra io. Vonona ny hanara-maso ny zava-misy rehetra eto amin ny firenena araka izany ity Fiaraha-monim-pirenena ity. Miantso fifidianana ihany koa ary tsy manaiky ny fanakorontanana satria tsy manana fahavalo an’iza na iza. Hatramin’izao mantsy nandritra izay volana vitsy nitondran’ny fitondram-panjakana izay dia mbola manjavozavo izany fitantanana ny firenena izany. Tanjona ny hiverenana amin’ny ara-dalàna. Teny filamatry ny “Observatoire Mahitsy Fijery” rahateo ny hoe: “Mponina sahy, Mijoro ho Tompon’andraikitra” , araka ny fanazavana voaray.

