“RAJAONA Siméon, andrarezin’ny fikarohana momba ny teny sy ny haisoratra malagasy”, io no lohahevitry ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny fanamarihana ny fahazato taona nahaterahan-dRAJAONA Siméon Régis, Professeur Titulaire Émérite, Docteur Honoris Causa. Ny Zanatsehatra Malagasy sy ireo mpiara-miasa ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, miaraka amin’ny fianakaviana (taranaka) sy ireo nofaniny na akaiky azy araka izany dia mampahafantatra fa hisy ny fanamarihana ity fahazato taona nahaterahan-dRajaona Siméon Régis ity.
Manomboka ny 18 febroary 2026 ka hatramin’ny 18 febroary 2027 izany. Hahitana hetsika ara-tsiantsa sy ara-kolontsaina samihafa izay omban’ny lanonam-panjakana hatrany ny fankalazana. Ankoatra izay, fandaharam-potoana ankapobeny ny hetsika, ny 18 febroary 2026: ny fanombohan’ny fifaninanana asasoratra. Ny 28 febroary 2026 dia hisy ny Fanompoam-pivavahana eny amin’ny EKAR Ankadivato. Ny 26 sy ny 27 martsa 2026 dia hotokanana ny Arabe Rajaona Siméon sy ny fijoroana vavolombelona. Hotanterahana ihany koa ny Fikaonan-doha iraisampirenena. Ny volana may 2026 dia hanangana ny toerana fonenany eny Antsahabe ho vakoka, ny komity mpikarakara ny fahazato taona. Ny 23 jona 2026 ny fanolorana ny revio HIRATRA 7 sy ny boky mirakitra ny fikaonan-doha. Ny 06 novambra 2026 no hanambarana ny vokatra fifaninanana asasoratra. Ny 18 febroary 2027 no hanolorona ny boky raki-piainan’i Siméon Rajaona. Ny fanolorana loka ho an’ny mpandresy ihany koa.
Rajaona Siméon Régis izay nanoratra boky maro isan-karazany mikasika ny teny sy ny haisoratra malagasy. Anisan’izany ny “Takelaka notsongaina I sy II”, ny Raki-bolana-Raki-pahalalana”. Rajaona Siméon Régis dia anisan’ireo Olomangan’ny literatiora sy ny fampianarana teto Madagasikara na nampianatra tany Frantsa aza ny tenany. Niverina teto an-tanindrazana izy ary nanangana ny Oniversite teto Madagasikara. Izy no Sojabe malagasy voalohany teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, araka ny fanazavana voaray, teny Ankatso, ny alakamisy 29 janoary 2026.


