"PRINTSY RAKOTOMALALA LOUIS DE GONZAGUE"- KRIZY MIVERIMBERINA : "Ny fandalana ny "Satam-pirenena" no vahaolana"

Ilay toetra maha-malagasy nolovaina tamin’ireo Razana toy ny fandalan’izy ireo ny fahamarinana, ny firaisankina, ny fihavanana, sns. Io no antsoina hoe : “Satam-pirenena”, hoy, ny Printsin’ny Bezanozano Rakotomalala Louis de Gonzague. Ity farany izay misalotra ny mari-boninahim-pirenena “Grand croix de deuxième classe”.

Tsy mahagaga raha toa ka miaina anaty krizy miverimberina izay mitarika fahantrana lalim-paka ny Malagasy noho isika tsy nanoa intsony ny “Satam-pirenena” izay mifototra betsaka amin’ny fandalana ny fahamarinana, hoy, hatrany ny Printsin’ny Bezanozano Rakotomalala Louis de Gonzague. Tsy fomban-drazana tongatonga ho azy ny niandohan’ny “Soatoavina malagasy” fa misy hevitra lalina dia lalina fonosiny izay mirakitra fahendrena ara-panahy niteraka finoana sy fanao ary fomban-drazana raikitra dia ny “fanahy no Olona” Ity farany izay “toetram-pirenena” nifandovana mampiseho ny toetra sy ny tarigetram-pirenena hampahatsiaro tena eo amin’ity fiainana ity sy ny amiposaka ny anjara masoandron’ireo faramandimby. Ny fahatanterahan’izany no hitarika fahazavan-tsaina hanentana ho amin’ny : Hambom-pom-pirenena, hampifoha ireo Tanora malagasy izay sondriana sy variana amin’ny endrika ivelany mamirapitra nefa poakaty rehefa atomorina akaiky. Ho mora kokoa ny hisehoan’ilay “Hasim-panahy” izay ho fanasoavana ny Mpiara-belona tsy ankanavaka rehefa miverina manoa ilay “Satam-pirenena” isika Malagasy.

Aoka tsy ho hadinointsika Malagasy fa firenena manana ny maha izy azy ny Firenena malagasy ary manana “Sivilizasiona” hiombonany amin’ireo Tatsinanana rehetra na dia saika fefiky ny Ziogan’ny fanjanahantany aza ny ainy ; ny sainy kosa dia velona tsy rendrika tao anatin’ny fahoriana izay toy ny fitsapana sy fanadiovana ilay “Satam-pirenena” nifandovana.

Mazava, araka izany, ny hafatra avy amin’ireo Razambentsika : “Mikajy ny harena navelan’ireo Razana tsy ho lasan’ireo hafa mba iveloman’ireo vady aman-janaka, tsy atakalo vola na voninahitra na koa rendrarendram-bahiny mandrava ny Ain’ny fianakaviana fa masina ny tanindrazana”.

Mahatsiaro tena ankehitriny ny Malagasy fa tonga ny fotoana tokony hiarovana sy hivelomana araka ny “Satam-pirenena Malagasy” Ity farany izay miorina amin’ny “Fahendrena Malagasy” Foto-pinoana miisa fito ahitana ny : Finoana an’Andriamanitra “Zanahary” , ny “Fanahy no Olona”, ny fanajana ny Masina “Razana”, ny fitiavan-tanindrazana, ny tahotra ny tsiny, ny tody ary ny fitandremana ny fady. Ireo amin’ny ankapobeny no mandrafitra ilay “Fahendrena Malagasy” Alao hery ry Malagasy fa masina ny Tanindrazana, Ndeha isika hifanome tanana hiaraka hamerina amin’ny laoniny ilay “Satam-pirenena” Malagasy” izay antoka iray lehibe hampiadana sy ho finaritra ny Malagasy tsy vakivolo.

Vous aimerez aussi