Amin’izao fotoanan’ny orana izay fotoana fambolen-kazo izao dia nitondra ny anjara birikiny amin’ny famerenana amin’ny fanamaitsoana ny Nosintsika ny avy eo anivon’ny Gen Y Madagascar, ny sabotsy lasa teo. Velaran-tany 3ha 400 no nambolena zanakazo 3000 fototra tao amin’ny Kaomina Ambalavao amin’ny lalam-pirenena fahafito. Zanakazo nahitana karazany maro toy ny Acacia. Izao no natao dia ho fandraisana andraikitra amin’ny fikajiana ny tontolo iainana sy ho an’ny taranaka mandimby any aoriana, araka ny teny filamatry ny Gen Y Madagascar manao hoe: “Miara-mitolona ho an’ny taranaka”. Ny tolona ho an’ny Tanindrazana dia tsy mijanona. Tsy ny politika ihany no tolona fa eo ihany koa ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro”, hoy Madov, filoha nasionalin’ny Gen Y Madagascar, izay vy nahitana sy tompomarika tamin’izao fanamaitsoana ny tontolo iainana izao. Mpikambana ao amin’ny Gen Y Madagascar an’arivony avy amin’ny Boriborintany enina eto an-dRenivohitra sy ireo avy eto amin’ny faritra Analamanga ireto tonga nanatontosa ny voly hazo ireto. Niara-niasa tamin’izy ireo kosa ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana tamin’ny fanomezana ireo zanakazo novolena sy nanome toromarika tamin’ny fomba nambolena ireo zanakazo mba hahafahan’izany hitsiry tsara. Ireo vahoaka eny ifotony kosa no hanara-maso ireo zanakazo voavoly ireo. Tsy nohadinoin’ny filoha nasionalin’ny Gen Y Madagascar, Madov, ihany koa ny nisaotra an-dramatoa Lehiben’ny Faritra, Clémence Raharinirina izay tonga nanotrona izao fotoana izao sy nanolo-tanana ny fikambanana tamin’ny nahatontosana ity fambolen-kazo ity. Ny Lehiben’ny Faritra izay nilaza fa “misokatra ho an’ny rehetra ny varavaran’ny Lehiben’ny Faritra”. Santatra ambavarano ihany moa iny fanokafana ny taom-pambolen-kazo ho an’ny Gen Y Madagascar fa hitohy hanatanteraka izany ireo mpikambana any amin’ny Faritra rehetra ivelan’Analamanga, araka ny fanazavana voaray.

