"DIASPORA" SY NY FITONDRAM-PANJAKANA : Miara-miasa amin’ny fanamafisana ny "Connect'Diasporas"

Tanjon’ny tetikasa “Connect’Diasporas” ny hanamafy ny fiaraha-miasa maharitra mahakasika ny fametrahana fototra ho an’ny ” feuille de route Diaspora-Autorités”. Ity fiaraha-miasa ity izay miorina amin’ny “Diaspora” sy ny fitondram-panjakana Malagasy. Anton’ilay atrikasa nokarakarain’ny “FORIM” sy ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny Malagasy ary ny “FACT Madagascar “, ny 21 janoary 2026, teny Anosy. Niara-nifandinika tamin’ny atrikasa ka nitondra ny anjara birikiny ireo solontenan’ny Fitondram-panjakana, ny fiarahamonim-pirenena sy ny sehatra ara-toekarena ary ny “Diaspora”. Ity tetikasa “Connect’Diasporas” izay vatsian’ny Vondrona Eoropeanina ity dia tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa “Migration et Mobilité pour le Développement” na ny MMD III. araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi