TOSIKA FAMENO : Nirohatra nanatitra dosie ireo mbola tsy nahazo

Efa nivoaka nandritra ny herinandro vitsivisty teny amin’ireo toerana famoaham-bola ireo « Tosika Fameno 100 000 ariary ». Anisan’ny niteraka savorovoron-tsaina teo amin ny fiaraha – monina ny fahitan’ny vahoaka ny valin’ny fanadihadiana natao. Ireo mpikambana tao amin’ny Loharano no tena nahazo tsiny ary nohenjehin’ny olona tsy nanao ny asany ara-dalàna na nijery tavan’olona.  Nanomboka tamin’iny herinandro iny anefa dia nisy indray ny antso natao tamin’ireo vahoaka, izay tsy mbola nisitraka izany fanampiana izany, mba hanatitra ny antontan-taratasy toy ny tahadikan-tsary karapanondro sy kara-pokontany ary tsy misy fanavahana, fa izay te haka dia samy mikarakara daholo. Nilaharana hatramin’ny mpanao tahadikan-tsary, ka izay rehetra naleha dia lava avokoa ny filaharana, toa ny tetsy Besarety, Andravoahangy ary Masikara. Ny teny Mandrangombato II no nandraisana ireo vahoaka marobe tao amin ireo fokontany mandrafitra ny firaisana faha IV. Vahoaka an’alina no nifandimby noraisina teny nandritra ny andro vitsivitsy. Tsy mahalala matahotra intsony ireo olona, satria misy amin’ny 2 ora maraina dia efa miainga any an-trano ary renim-pianakaviana avokoa no tena mameno toerana. Araka ny hita koa dia tsy nanavahana sokajin’asan’olona izy ity fa tazana teny avokoa hatramin’ny be antitra. Toa samy mangetaheta te hahazo ireo vahoaka teo am-pangoronana ny taratasy. Manambara izany fa tena sahirana ireo vahoaka Malagasy. Mampametra-panontaniana anefa dia ny hoe hahazo ny anjarany daholo ve izy ireny sa dia ho very mohaka indray ilay fanantenana efa nitsiry ?

Vous aimerez aussi