ROLAND RATSIRAKA : Tokony tsaboina any an-tranony ireo tsy tena marary

Nanolotra vahaolana ny amin’ny tokony hiarahan’ny mpitsabo miankina amin’ny fanjakana sy tsy miankina ao Toamasina ny depiote any an-toerana, Roland Ratsiraka, manoloana ny fahamaroan’ireo mararin’ny Covid 19 ao Toamasina. Efa maro, hoy izy, ireo marary ao Toamasina, ka aoka ireo tsy tena marary be mba any an-tokantranony ihany no hotsaboina. Manomboka feno ny hopitaly ao Toamasina. Ny ara-pitaovana no tokony hamafisina ny fanampiana azy sy any amin’ireo hopitaly tsy ampy, hoy izy. Isan’ny vahaolana narosony  ihany koa ny mba hanagiazan’ny fitondram-panjakana ireo hotely any an-toerana mba hametrahana ireo mararin’ity aretina ity, ka hiantohan’ny fitondrana ny saran’ireo hotely sy ny fitaovana hiarovan’ireo mpikarakara azy ireo tena.

Tsara ilay soso-kevitra, saingy toa hadinon’Ingahy Roland Ratsiraka sahady angamba ilay fanentanana, vao tsy ela akory, nataony ho an’ny vahoakan’i Toamasina hoe, tokony hofoanana amin’izay ny fihibohana ary avela hiasa malalaka ny mponina. Kanefa dia iaraha-mahita ankehitriny ny vokany…

Vous aimerez aussi