TETEZAN’I BEKIRARO : 385 no voatily

Olona miisa 385 no nanaovana fitiliana ny valanaretina coronavirus nandritra ny hetsika fidinana ifotony nataon’ny tompon’andraiki-panjakana. Teny amin’ny tetezan’i Bekiraro, teny Isotry no nisantarana izany, ny zomà lasa teo, noho io toerana io nahitana valanaretina noho ny fifampikasohana.

Miisa 385 no tanjona tokony hanaovana ny fitiliana kanefa tsy manakana ny fitiliana ho mihoatra izany ny tompon’andraikitra, ahazoana miaro sahady ny mpiara-monina raha sanatria efa mitondra ny otrikaretina.

Nisy mihitsy ny fanentanana ireo olona mba hitondra izay tsy salama any anaty fiaraha-monina any ka hanatona mpitsabo avy hatrany.

Fifampikasohana

Nisy moa ny raim-pianakaviana iray, mponina eny Bekiraro, voan’ny valanaretina. Natao fitiliana ihany koa ny vady aman-janak’io ary nisy nahitana otrikaretina. Tadiavina, araka izany, izay rehetra nifanerasera tamin’ity ankohonana ity mba hanaovana fitiliana, ahazoana mamehy haingana ny valanaretina.

Tsapa amin’izany ny maha-zava-dehibe ny fihibohana an-trano satria mora miely ny aretina na dia amin’ny fifampikasohana sy fifaneraserana ihany aza.

Vous aimerez aussi