Aorian’ny dinika hifanaovana amin’ireo Andrimpanjakana sy ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana isan-tsokajiny ary koa ny Filankevitry ny Minisitra tontosaina anio, dia hisy ny fanambarana lehibe hataon’ny Filoham-pirenena rahampitso alahady, mikasika indrindra ny fanapahan-kevitra ho raisina manoloana ity valanaretina coronavirus ity.
Sarotra ny fanapahan-kevitra
N’inon’inona ho fanapahan-kevitra ho raisina eo, hoy ny Filoham-pirenena dia ho sarotra foana. Raha firenena manankarena manko isika dia azo tohizana hatrany ny fihibohana. Eo anefa ny tarainan’ny olona noho ny fijaliany, satria ny hohanina anio tadiavina anio.
Ho zakan’ny firenena ve ny miatrika, ara-toekarena, izao fahasahiranana izao ? Voafehy ve ny fandaminana ara-tsosilay ? Hanao ahoana ny famehezana ny ara-pahasalamana ?
70 no voa
Na eo aza ny ezaka natao nandritra izay 14 andro izay, ka nisian’ny firaisankina sy ny ezaka natao hamehezana ny valanaretina dia fantatra fa 70 ny olona mitondra ny otrikaretina hatreto.
Raha misy tranga 300 mahery dia hiditra amin’ny stade 2 isika. Ary raha maherin’ny 50 ny maty dia ho sarotra ny mifehy ny raharaha. Hatreto anefa dia voafehy izany na dia efa misy tranga aza any amin’ny Faritra samihafa, toa an’Ambatomanga, Morondava, Fianarantsoa, Nosy Be, Antsirabe,….
Fitoniana
Mila tony ny rehetra satria tsy mbola tonga amin’ny fahasahiranana lalina isika ary tsy ho tonga amin’izany rehefa samy manaraka ny fepetra ny tsirairay.
Ireo marary rahateo efa samy mahazo ny fitsaboana sahaza azy avy.
Ilaina ny fitarihan’ny tsirairay amin’ny ady tsy hiparitahan’ity otrikaretina ity.


