TARANJA « LUTTE LIBRE » : Hitondra ny voninahim-pirenena i Manitra Raharison Roman

Manomboka  hiposaka ny masoandron’ny firenena Malagasy amin’ny alalan’ny taranja tolona na « lutte libre ». Araka ny fanazavana voaray, dia hitondra ny voninahim-pirenena amin’io tolona io, i Manitra Raharison Roman, 24 taona, teratany malagasy, manana zo-pirenena malagasy sy frantsay, satria ny rainy malagasy ary ny reniny vazaha. Nandalo teto Madagasikara ny lehilahy nanao io « lutte libre » io. Voalaza fa efa « Champion de France Catégorie Open » tamin’ny taona 2014, i Manitra, fony izy 19 taona. Efa nihaona nivantana tamin’ny federasiona ny « lutte libre » izy sy ireo mpiara-dia aminy ary nisy ny fifampiresahana sy ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta. Tapaka taorian’izay, fa i Manitra Raharison Roman, no hitondra avo ny firenena amin’io taranja « lutte libre » io ary izy no hisolo-tena an’i Madagasikara amin’izany. Marihana fa any Metz (France) no mipetraka i Manitra, fa nanao vankasy no nataony teto Madagasikara. Nisy ny fihaonany tamin’ireo ekipa gasy tamin’io taranja tolona io ary nampiseho ny traikefany izy tamin’izany. Milanja 82 na 86 kilao izy amin’izao fotoana izao. Marihana, fa nisy vatobe milanja 120 kilao teny amin’i Rovan’i Manjakamiadana, ka vazaha lahy iray no nahazaka io vato io voalohany ary taorian’io teratany vahiny io, i Manitra Raharison Roman izay nampitolagaga ny mponina teny an-toerana no nibatany izany.

Vous aimerez aussi