MPANAO GAZETY : Hifampiarahaba sy hanao tatitra

Hifampiarahaba noho ny fahatrarana ny taona 2020, etsy amin’ny Trass Tsiadana ny mpanao gazety rehetra rahampitso amin’ny 10 ora maraina.

Ankoatra ny korana noho ny fihaonana dia hisy indrindra koa ny tatitra hataon’ny biraon’ny Holafitra, amin’ny asa vitany hatrizay.

Samihafa

Tsy odian-tsy hita ihany koa anefa ny tsindry samihafa izay mbola mianjady amin’ny mpanao gazety, izay mifanohitra amin’ny fanalalahana ventiventesina.  Eo ihany koa ny mbola fisian’ny fahasahiranana amin’ny fakana loharanom-baovao eny anivon’ny tompon’andraikitra ambony samihafa sy ny tsy fahafahana manatanteraka ny asa an-kahalalana, … Heverina fa hasian-dinika mandritra izao fihaonana izao ireny fiatrehana ny asa fanaovan-gazety ireny.

Manan-jo feno hahalala ny vaovao sy ny zava-misy marina eo amin’ny fiainam-pirenena manko ny vahoaka ka rariny raha midinika ho amin’ny fanatsarana ny asany ny mpanao gazety.

Vous aimerez aussi