IKONGO : Mitoka-monina tanteraka

Tsy tongan’ny fiara intsony ny any Ikongo. Ny fahatapahan’ny tetezan’ny Sahavy no antony. Eo amin’ny Pk 90 tsy idirana ny tanàna no misy azy ity. Ny fahalovan’ny vy sy ny hazo mandrafitra azy no niteraka ny fahavoazana. Vokany, mitoka-monina tanteraka Ikongo ankehitriny. Mandeha an- tongotra ireo mponina ary miverina indray ny filanjana entana eny an-tsoroka. Manano-sarotra ny lafiny famatsiana ireo mponina amin’ny kojakoja fampiasa andavanandro. Tsy tafavoaka ihany koa ireo vokatry ny tany any an-toerana toy ny vary, akondro, kafe, izay mitarika fatiantoka lehibe ho an’ireo mpamboly. Amin’ny fotoam-pahavaratra tahaka izao dia alain’ny fiara tsy mataho-dalana anatin’ny ora folo, ny halaviran-dalana mirefy 92 km, manelanelana an’Ifanadiana sy Ikongo, ao anatin’ny lalam-pirenena RN 14 A. Efa an-taonany maro no tsy nisy nijery ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’Ifanadiana sy Ikongo, koa tsy mahagaga raha toa ka tonga amin’izao fahatapahana tanteraka izao. Diso aoriana hatrany ny fandraisana andraikitra ataon’ny fanjakana mahefa ankehitriny amin’ ny famahana ny olana eto amin’ny firenena. Tsy arakaraky ny fampanantenana natevina tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra ny fomba fiasan’ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany. Tsy fahaizana ve sa fitavozavozana no antony ?

Vous aimerez aussi