LISI-PIFIDIANANA VONJIMAIKA : 412.151 no mba tombony

412.151 no isan’ny olom-baovao nisoratra anarana tamin’ny lisi-pifidianana vaovao, manerana ny Nosy. Fantatra io nandritra ny famaranana vonjimaika ity lisi-pifidianana ity androany.

Mitontaly 10.568.400, araka izany, ny isan’ny mpifidy eto Madagasikara amin’ity lisitra vaovao ity. Noho izany, mahatratra 2,61% ny taham-pisoratana anarana.

Voamarika nandritra izany fa ny Distrikan’i Vohémar no ambany indrindra tamin’ny taham-pisoratana anarana ary Morafenobe kosa no ambony indrindra.

Eo anivon’ny Faritany kosa dia Mahajanga no ambany indrindra ary Toliary no ambony indrindra.

Tsikaritra ihany koa fa ireo tanora 18 taona no betsaka tonga nanoratra ny anarany tamin’izao lisitra izao. Eo koa anefa ireo tsy voasoratra anarana mihitsy hatramin’izay sy ireo tonga nifindra monina.

Fantatra ihany koa fa nahatratra 143.334 ireo anarana nesorina tao anatin’ny lisitra, noho izy ireo  efa nodimandry na nifindra monina na koa very zo.

Mbola afaka misoratra anarana

Hiverina eny amin’ny CENI ity lisitra ity mba ho hamarinina sy hanaovana izay fanitsiana mety ho ilaina. Aorian’izany dia haverina eny amin’ny Fokontany indray izany, ka mbola afaka mampiditra ny anarany ireo olona tratra aoriana, ao anatin’ny 20 andro hijanonany eny amin’ny Fokontany.

Ankoatra izany fanamarinana izany dia azo lazaina ho ala-nenina farany ihany ity 20 andro ity. Araka ny fanambaran’ny CENI ihany manko dia ity no taham-pisoratana anarana ambany indrindra hatramin’izay.

Lesona ho an’ny tompon’andraikitra

Azo lazaina ho lesona lehibe ho an’ny tompon’andraikitra, indrindra ny mpanao politika, izao fahavitsian’ny olona mandray andraikitra amin’ny raharaham-pirenena amin’ny alalan’ny fifidianana izao. « Leo ». Izay no azo amintinana ny feon’ny maro rehefa resahina raharaha politika.

Tsy mizotra araka izay tokony ho izy manko ny fandehan’ny raharaham-pifidianana eto amintsika nefa tsy misy ny fandraisana andraikitra tandrify izany.

Vous aimerez aussi