Olana mitoetra hatramin’izao ny tsy fisian’ny rindran-damina sy ny fomba fiasa matotra hoenti-mitsinjara ny tambavy “covid organics” eto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Tranga miverimberina
Anisan’ny niharan’izany ny teny Ambohimangakely, ny faran’ny herinandro teo. Raha tokony tamin’ny 08 ora maraina no nambara fa hanombohana ny fizarana ny tambavy CVO dia tany amin’ny 01 ora tolakandro vao tonga teny amin’ny CEG Ambohimangakely, toerana nizarana ity tambavy fanta-daza sy maha be resaka ity ireo tomponandraikitra. Ankoatra izay, olona maro be mbola nitanjozotra niandrandra ny hanjifa ny covid organics no nody tamim-pahakiviana fa lany ny tambavy. Hatreto aloha, mbola miandry ny fahatongavan’ny tambavy CVO vaovao indray ireo tsy mbola nisitraka izany ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Ho an’ireo efa nahazo ny sabotsy lasa teo, nihantona tsy fidiny ny fanohizana ny fisotroana azy.
Ho an’Alasora ihany koa dia tambavy 250 litatra ihany no nigadona teny an-toerana ho an’ireo mponina miisa 60 000 eo anivon’ny kaominina. Maro tamin’ireo olona tonga teny an-toerana no lohabolana fa tsy matotra ny fomba fiasa eo amin’ireo miantsoroka ny fitsinjarana sy fanaparitahana ny tambavy “covid organics” ho an’ny faritra Analamanga. Tsy ny fomba fitsinjarana ihany no mila harenina fa mila jerena akaiky ny aro-fenitra ara-pahasalamana eo amin’ny fomba fizarana ny “covid organics” eny anivon’ireo fokontany eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Sarobidy sy saropady ny fahasalamana koa tsy tokony hatao hakinanga ny tontolon’ny fikirakirana azy.


