LALATIANA RAVOLOLOMANANA : Tsy tokony hitarina amin’ny loko politika ny tambavy CVO

Lasa niteraka resabe teto amin’ny firenena sy ny tambanjotra samihafa ny momba ilay fanafody fanefitra amin’ny Covid 19 izay novokarin’ny IMRA, hiadiana amin’ity valan’aretina ity. Tafiditra hatramin’ny resaka politika sy ny loko politika mihitsy aza ilay izy, hoy ny fanehoan-kevitra maro samihafa. Nitondra ny heviny mikasika izany ny mpanolontsainan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, no sady mpanao politika, ramatoa Lalatiana Ravololomanana. Nambarany, fa tsy tokony hitarina any amin’ny loko politika ny resaka tambavy CVO.

Araka ny fanazavan’ity mpanao politika ity, dia mahasoa ary tsy mahafaty ny vokatra novokarin’ny IMRA sy ireo manampahaizantsika, hoy izy. Aoka hatsahatra ny fifanaratsiana ireo manampahaizana sy mpikaroka Malagasy, fa izy ireo no namokatra ity fanefitry ny Covid19 ity, hoy hatrany ny nambarany. “Maro ny vokatra novokarin’ny IMRA ary nahasoa ny Malagasy rehetra izany. Tsy hifanerena kosa na hisotro na tsia an’io CVO io ny olona”, hoy hatrany izy, “ary aza asiana ady hevitra intsony ny momba izany”.

Vous aimerez aussi