Araka ny toromarika nomen’ny filohampirenena Andry Rajoelina, dia niditra nianatra ny alatsinainy faha 27 aprily lasa teo, ireo mpianatra mianatra ao amin’ny kilasy fahadimy na 7ème, izay hiatrika ny fanadinam-panjakana amin’ity taona ity. Nambaran’ny Governoran’ny faritra atsinanana, atoa Rafidison Richard, fa voahaja ny fepetra rehetra napetraka ho an’ireo mpianatra nianatra nanomboka tamin’io andro io. Nizara roa ny fampidirana ireo mpianatra. Tao amin’ny EPP Tsiry ny fampidirana ireo mpianatra tamin’ny fomba ofisialy, ka nozaraina arovava avokoa ireo mpianatra rehetra. Nasaina nanasa tanana izy ireo talohan’ny nidirana ny efitrano sekoly. Voahaja ihany koa ny fepetra faharoa, dia mpianatra iray dabilio iray. Tao amin’ny EPP Ambodisaina ny fampidirana faharoa. Tamin’ny ankapobeny, hoy ny Governora, dia saika voahaja avokoa ireo fepetra rehetra amin’ny hamehana ara-pahasalamana ho an’ny mpianatra ao amin’ny faritra Atsinanana.
Tsy manao arovava
Ankoatra izay, dia mihatra manomboka anio talata ihany koa ny sazy ho an’ireo olona tratra tsy manao arovava. Ny alatsinainy maraina teo, raha ho an’ny faritra Atsinanana, dia nisy ny fanentanana natao tamin’ny olona ary nisy ny fizarana ny arovava miisa 150.000 avy amin’ny filohampirenena, ka ny skoto sy ny miaramila, ny polisy ary ny zandary no nanao ny fizarana. Tao anatin’ny 2 herinandro dia efa nizara arovava 100.000 avy tamin’ny fitondrana ny faritra. Hitohy ny fanentanana sy fizarana an’io arovava io, hoy hatrany ny Governoran’ny faritra Atsinanana ary miezaka ny manaja ny fepetra rehetra amin’ny hamehana ara-pahasalamana na “Etat d’Urgence Sanitaire” ny faritra, hoy hatrany izy. Nomarihany fa vao tonga ny alatsinainy lasa teo ireo fitaovana toa ny arovava, ka fanentanana no natao tamin’io andro io, fa amin’ity anio talata ity dia hiditra amin’ny fanasaziana ireo tompon’andraikitra sy ny mpitandro ny filaminana any an-toerana.


