AMBATOMARO AMPANOTOKANA : Ao an-trano no zaraina ny fanampiana ary lambahoany no entina

Hafa noho ny an’ny rehetra ny fizarana fanampiana ao Ampanotokana Ambatomaro iny satria tsy mba ao amin’ny biraom-pokontany no hitsinjaran’ny Loharano izany fa ao an-tranon’olon-tsotra. Ao an-tranona Madama iray no mivoaka ny fanampiana ary tsy maintsy lambahoany no hitondrana izany.

Tsikaritry ny hafa ny tsy fitovian’ny fanampiana azon’ny tsirairay mivoaka avy ao ka velona ahiahy ny sasany. Tsy misy anefa ny sahy mitaraina fa rehefa mba mahazo kely aloha dia mamitsaka.

Anisan’ireo fokontany diso aoriana tamin’ny fahazoana fanampiana iny faritra iny. Asa na noho izany no hanararaotan’ny Loharano ny fizarana vilana tahaka izao satria efa zatra tsy mahita izany fanampiana izany ny mponina ka toraham-potsimbary toy ny akohokely dia faly.

Na izany aza, mila jeren’ny tompon’andraikitra ambony ihany ny toe-javatra satria noheverina ho olon-kendry no mandrafitra itony Loharano itony.

Rehefa asian-teny ihany ny amin’ity Loharano ity dia mahagaga loatra ny fisian’ny fiovana lehibe eny anivon’ny Fokontany eny, ankehitriny. Tsy vitan’ny fananganana Loharano ihany manko no hita fa misolo hatramin’ny mpiasam-pokontany, eny hatramin’ny Ben’ny Fokontany aza, toy izay misy eny Anjanahary, Besarety ,….

Fanararaotana amin’ny fanovana olona koa ve izao hamehana ara-pahasalamana izao sa nahazo fahefana lehibe ny Loharano ka manolo tanteraka ny mpiasam-pokontany ?

Vous aimerez aussi