Tsy nihambahamba ireo mpitatitra, mpandraharaha, mpivarotra ao amin’ny tobim-piantsonan’ireo fiara manao ny zotra nasionaly, eny amin’ny fasan’ny karana, omaly, nitaky amin’ireo tomponandraikitra ny hanokafana amin’izay ny zotra mampitohy ny renivohitra amin’ny faritra.
Tsy nisitraka ny fanampiana
Nomarihan’ireo nanao ny fitakiana fa tsy mba nisitraka ny fanampiana avy amin’ny fanjakana foibe ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly hatreto. Ho azy ireo, tsy vahaolana intsony ny fanampiana fa ny fanokafana ny zotra mihazo ny faritra sy mandalo eto Iarivo no fanafana tsara indrindra. Nampanantena sy nanome toky matevina ireto mpitatitra amin’ny zotra nasionaly ireto fa vonona hanaraka ny fepetra rehetra takiana amin’ny fitandroana ny lafiny fahasalamana ireo kaoperativam-pitaterana rehetra eny amin’ny fasan’ny karana sy ireo mpivarotra eny an-toerana. Fitakiana fanampiny nentin’ireo mpisehatra amin’ny zotra nasionaly ihany koa ny hametrahana lamina manokana amin’ny fomba fandoavana ny hetra sy ireo haba.
Tsy ny sehatry ny asa fihariana eo amin’ny lafiny fitaterana ihany no voadona mafy anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao fa ny antom-pivelomana rehetra. Mila mametraka paikady mahomby ahafahana manamaivana ny fahasahiranan’ny mponina, araka izany, ny mpitondra fanjakana fa tena latsaka ankaterena tanteraka ny fiainan’ny Malagasy manoloana ny fisian’ny covid-19.


