TAKSIBE SY TAKSIA MINIA MBOLA MIASA : Hentitra ny polisy ary sintonina avy hatrany ny “licence”

Taorian’ny fepetra hentitra noraisin’ny fitondram-panjakana, manoloana ny tsy hiparitahan’ilay valan’aretina coronavirus, dia naaton’ny fanjakana ny sehatry ny fitaterana rehetra na rezionaly na nasionaly. Ny teto an-drenivohitra dia miato nandritra ny 15 andro ny fitaterana toa ny taksibe, ny taksia ary ny taksiborosy. Saingy, mbola misy minia miasa ihany ireo taksibe sy taksia ka manala “plaque” sy lanterna izy ireo. Tao anatin’ny 72 ora dia  nahatsikaritra ny fiasan’izy ireo, ny polisim-pirenena, ka nisy ny fepetra noraisin’ireto farany. Ireo taksibe sy taksia mbola miasa ireo no nandraisana  fepetra hentitra, ka alaina avy hatrany ny taratasin’ny fiara miaraka amin’ny “licence”. Tafiditra ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna ny fandikana ny fepetra napetraky ny fanjakana, ka tokony hanaraka izany ny rehetra. Loza mihantona ho an’ny firenena mantsy ny fisian’ity coronavirus ity eto amintsika, ka ny hisorohana izany no antony nandraisan’ny mpitandro ny filaminana izao fepetra izao. Ireo fiara izay manana ny fahazoan-dalana avy any amin’ny CCO na “Centre de Commandement Opérationnel” miady amin’ny Covid-19 ihany no afaka mivezivezy eto an-drenivohitra, hoy ny fanazavana. Tsy azon’ireo moto skotera ihany koa ny manao taingin-droa. Fepetra napetraka hisorohana ity valan’aretina ity, dia tsy azo atao ny mitakisina, ka tokony hanaraka izay fepetra napetraka izay ny olom-pirenena rehetra, hoy ny fanazavana.

Vous aimerez aussi