Taorian’ny fanambarana nataon’ny Filohampirenena, fa tafiditra eto Madagasikara ilay valan’aretina coronavirus, dia nilomay ny vahoaka teto Antananarivo Renivohitra, ka nitady fanafody fanefitr’ity aretina ity. Nilaharana ny teny amin’ny farmasia ny harivan’ny fanambarana nataon’ny filoha. Nilaharana ihany koa ny tobin-tsolika. Toa izay ihany koa ireo mpivarotra mpaninjara vary sy PPN ary ny grosista. Tao anatin’ny hefarana no tsikaritra fa nahitana izay filaharana be izay. Ny andro alarobia (ndlr : anio) dia azo ambara, fa tsy dia nahitana filaharana intsony ireo toerana voalaza ireo. Ny farmasia ohatra, dia nivoha ary tsy dia nilaharana intsony, fa ny olona fotsiny no nividy ny fanafody izay notadiaviny. Efa nilaza ihany koa ny teo anivon’ny ministeran’ny varotra, fa ampy mandritry ny 6 volana ny tahirin’entana ilaina andavanandro toa ny vary, ny PPN sns, ka tokony tsy hikoropaka hanangona sakafo isika vahoaka malagasy. Efa mandeha ihany koa ny fanafarana ireo entana avy any ivelany, ka ampy iatrehana ny volana manaraka izany, hoy hatrany ny teo anivon’ny ministera.


