Tsy misy ny olona hafa nitondra ilay tsimokaretina tamin’ny fitiliana natao io maraina io. Tsy misy ahiana kosa ny fahasalaman’ireo tsaboina nahitana ny tsimokaretina.
Izany no vaovao lehibe maha velombolo, fantatra tamin’ity andro ity, araka fanazavana nentin’ny mpitsabo tompon’andraikitra misahana ny antotanisa, mahakasika ity coronavirus ity, teny amin’ny Foibe fibaikona ny valanaretina Covid-19, eny Ivato.
150 indray no voatily
106 no voatily omaly, nanomboka tamin’ny 12 ora antoandro ka hatramin’ny hariva. 44 kosa ho an’ny androany, nanomboka ny maraina ka hatramin’ny 12 ora antoandro teo.
Koa ho an’ireo 150 voatily ireo dia fantatra fa tsy nisy nahita ny olona mitondra tsimokaretina tamin’izy ireo.
Natao fitiliana voalohany tamin’izany moa ireo olona avy any amin’ny firenena misy ny otrikaretina Coronavirus ka tonga tamin’ireo zotram-piaramanidina, ny 16 marsa ka hatramin’ny 18 marsa lasa teo. Notiliana ihany koa anefa ireo olona nifanerasera tamin’izy ireo, izay miisa 9. Eo ihany koa ny fitiliana ireo mpiasan’ny seranam-piaramanidina, miisa 22.
Mila tazomina ny ezaka
Iriana ny hijanonan’ny tarehi-marika ho toy izao hatrany, ka tsy hisy ny voa vaovao, indrindra mba tsy hisy ny fahafatesana.
Ho tsara toy izao hatrany ny vokatra raha toa ka voaaraka tsara ny toro-marika amin’ny fihibohana ao an-trano, satria zava-dehibe ny manaraka ny toro-marika sy mandeha amin’ny fahendrena.
Azo resena tanteraka tsara io valanaretina io rehefa harahina ny fepetra rehetra.
Ilaina ny hery fiarovana
Ho fisorohana hatrany ny aretina anefa dia ilaina ny hery fiarovana. Ho an’ny zokiolona dia tokony hakarina ny herim-piarovana azy ireo, amin’ny fihinanana Vitamine C, ny koba, ny soja,… Mila izany koa anefa ireo marefo sy ireo tsy manan-kialofana.
Ankoatra ireo, entanina hatrany ny fihibohana an-trano. Fantatra manko fa ny mahavoa ny any ivelany dia ny tsy fanajana izany toro-marika izany.
Noho izany, adidin’ny rehetra ny mandray ny fepetra. Ilaina ny miray hina amin’ny fanarahana ny toro-marika rehetra.


