MPATORY AN-DALANA SY TENY AMBANY TONELINA : Nalefa eny amin’ny “Centre Social” eny Anosizato

Mba ho fiarovana ny ain’ireto olona mpatory an-dalana ireto, mba tsy ho voan’ilay aretina coronavirus, dia noraofin’ny mpitandro ny filaminana niaraka tamin’ny ministry ny filaminam-bahoaka sy ny ministry ny mponina, ny alin’ny alatsinainy lasa teo ireto olona mpatory an-dalana ireto ary nalefa any amin’ny “Centre Social” eny Anosizato. Tafiditra ao anatin’ny fepetra napetraky ny fitondram-panjakana ny fanalana azy ireny, satria, tsy azo atao ny mitangorona na mivorivory amin’ny toerana iray ary anisan’ny voasoroka tamin’izany ireto olona mpatory an-dalana ireto. Tsy ny teny an-dalana ihany no noraofina, hoy ny fanazavana, fa ireo mpatory tao ambany tonelina koa tafiditra anatin’izany. Araka ny fanazavana voaray, dia omena toerana hipetrahana izy ireo. Hiantohana ihany koa ny sakafo sy fitsaboana azy  ireo. Nanaiky izay fandaminana izay avy hatrany izy ireo ary tsy nitsipaka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana. Izao no natao dia ny tsy hiparitahan’ilay valan’aretina coronavirus eto amintsika.

Vous aimerez aussi