Ny sabotsy lasa teo mbola nisy ny fiara taksiborosy nampitohy ny faritra amin’ny renivohitra. Nampiteny ny moana ny fiakaran’ny sarandalana hita teny amin’ireo tobim-piantsonana maro teto an-drenivohitra.
Ampahany tamin’izany ny sarandalana mihazo an’Antsirabe izay tafakatra hatrany amin’ny 25 000 Ar. Misy ireo fiara mpitatitra niasa tazana teny amin’ny fasan’ny karana saingy tsy naharaka ny isan’ireo mpandeha izy ireny. Raikitra teo ny fanararaotana, nisy tamin’ireo fiara misahana ny zotra eto an-drenivohitra no tazana nihazo an’Antsirabe tampoka teo. Ny nahavariana dia eo ambany mason’ireo mpitandro ny filaminana nandrindra ny fifamoivoizana no nisehoan’izany rehetra izany saingy dia nitazam-potsiny ny zavanitranga ireto farany. Ireo mpandeha ihany koa tetsy andaniny tsy nanantsafidy noho ny hamehana hamonjy fodiana koa nanaiky tsy fidiny ity fampiakarana sarandalana tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna ity. Rahoviana isika mianakavy vao hahay hamerina indray ny hasin’ny soatoavina malagasy mifaka amin’ny firaisankina, fifanampiana, fihavanana fa tsy dia hanohy hanjohy hatrany ny lalan-dison’ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola diso tafahoatra e ?


