FEPETRA ISOROHANA NY FIHANAKY NY CORONAVIRUS : Mila fanaraha-maso ny fampiharana azy

Goragora ny fampiharana ireo fepetra noraisina ho amin’ny fisorohana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus eto amintsika. Anisan’ny fepetra misongadina amin’izany ny tsy fihibohana ao an-trano.

Raha ny tsikaritra, mbola maro ireo mponina eto an-drenivohitra no mifamoivoy hatramin’izao noho ny asa fitadiavana isanandro. Tazana ihany koa ny mbola fisian’ny fitangoronana noho ny fikarohana ny harapaka isanandro sy ny fanangonana ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ho an’ireo manankato ho amin’izany.

Mila fanaraha-maso ny fampiharana ireo fepetra nambara fa tsy mijanona fotsiny hatreo amin’ny famoahana izany amin’ny alalan’ireo haino, vaky, jery izany mba hisy vokany tsara. Ny isam-batan’olona ihany koa takiana araka izay azo atao amin’ny fanatanterahana azy ireny fa ny aina lahitokana ka mila kajiana fatratra. Raha ny rehetra no miara-mientana amin’ny fampiharana ireo fepetra dia azo antenaina fa ho mora kokoa ny fifehezana ny fipariahan’ity valanaretina coronavirus ity eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi