Satria olona ao anatin’ny fiaraha-monina koa izy ireny dia mila ampiana. Anisan’ny fanambarana nataon’ny Filoham-pirenena izany, manoloana ireo mpivaro-tena tafiditra ao anatin’ny fahasahiranana noho ny fepetra noraisin’ny Fitondrana amin’ny tsy azo ivezivezena amin’ny alina.
Mpamily sy resevera
Nasiany teny manokana moa ny amin’ireo mpamily taxi sy ny mpamily taxibe ary ny resevera, izay naato amin’ny asany. Omena fanampiana ara-tsakafo, toy ny vary, voamaina, menaka, siramamy, savony, koba aina, …izay haterina isan-tokantrano, manomboka ny alakamisy izao, izy ireny.
Notsipihana fa tsy ny tompon’ny fiara no hahazo izany fa ireo mpamily sy resevera ihany, izay tsy mihinan-kanina raha tsy miasa.
Voakasik’izany koa anefa ireo mpanasa lamba, ny mpivarotra amoron-dàlana, ny mpivarotra gazety.
Tsy adino koa ireo zokiolona, izay hahazo fanampian-tsakafo ankoatra ireo.
Tsy adino koa ireo 4 Mi, izay havondrona amin’ny toerana vitsivitsy, ka ho vatsiana sakafo ihany koa.
10 miliara ar no hozaraina
Hisy ny vola 10 miliara ar (ampahany voalohany) hozaraina amin’ny herinandro ho avy izao, ho an’ireo olona tra-pahavoazana amin’izao fepetra raisina izao. Iaraha-miasa amin’ny FID io ary vola noresahina tamin’ny Banky Iraisam-pirenena, hoy hatrany ny Filoham-pirenena.
Koa holazaina aoriana ny fepetra fizarana izany, satria mety hozaraina mivantana io na alefa amin’ny alalan’ny M’Vola.
Natsidiny sahady anefa fa ny mpamily taxi rehetra sy ny mpamily taxibe ary ny resevera dia homena 30.000 ar avy.
Araraotina ny fanamboaran-dàlana
Mandeha hatrany kosa ny fampandrosoana ka araraotina ny tsy fisian’ny fifamoivoizana hanamboarana ireo làlana sy arabe feno lavadavaka. Hisahana ny fanamboarana izany ny orinasa lehibe.
Mahavelom-bolo raha ny fepetra raisin’ny Fitondram-panjakana, manoloana ny fahasahiranan’ny vahoaka.
Mahavelom-panontaniana anefa ny ho fanatontosan’ny mpanatanteraka izany. Irina ho tompon’andraikitra ny tsirairay ka ho lavitry ny fanararaotana.


