CORONAVIRUS SY NY ASA FANENDAHANA : Lasibatra ireo mpivarotra voasary makirana

Teny amin’ny faritra manodidina an’i Besarety iny no nahavoaendaka ity tovolahy mpivarotra voasary makirana andeha hamonjy fodiana. Ranomaso havozina ny an’ity tovolahy niharan’ny fanendehana. Ny vola maty rehetra nandritra ny tontolo andro, hoy ity mpivarotra voasary makirana ity no najifan’ireo mpanendaka. Ny fahafantaran’ireo mpanendaka fa misy vola misimisy hatrany any amin’ireo mpivarotra voasary makirana noho ireto farany tsara tsena hatrany tao anatin’ny fahatongavan’ny valanaretina coronavirus teto amintsika no mahatonga azy ireo hanao lasibatra anay, hoy ihany ity mpivarotra niharan’ny fanendahana ity. Nampalahelo, hoy hatrany ity tovolahy niharam-boina ity fa nitazam-potsiny ireo mpandalo izay nanatri-maso ny fanendahana azy.

Mila fandraisana andraikitra

Ny vanimpotoana misy an’i Madagasikara tahaka izao no ilana fandraisana andraikitra avy amin’ireo mpitondra fanjakana ho fiahiana ny vahoaka eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, famatsiana ireo entana ilaina andavanandro, sns. Hatreto aloha dia mbola mahatsiaro tena ho miady irery amin’ny fiatrehana ny vokadratsin’ny fisian’ny coronavirus eto Madagasikara toy ny endrim-panarararaotana samihafa ny vahoaka. Ny fanambarana, hoy ny maro no betsaka fa ny fanatanterahana azy ireny mihisatra tanteraka. Entanina, araka izany, ireo mpitondra fanjakana mba hijery akaiky ny famahana ireo olana mianjady amin’ny mponina ankehitriny. Ny fiahiana ny vahoaka tokoa mantsy no anjara andraikitry ny mpitondra voalohany raha tena tomponandraikitra tokoa izy.

Vous aimerez aussi