Ho an’ireo mpamboly lavanila any Soanierana Ivongo, efa matoy ka tokony hotazana amin’izay ny vokatra lavanila. Araka ny lalàna manan-kery anefa dia ny volana jolay vao fotoam-pisokofan’ny tsenan’ny lavanila amin’ny fomba ofisialy eto Madagasikara…
Miteraka tsy filaminana, mety hamoizana aina
Vokany, saika ho isan’andro vaky no hahenoana halatra lavanila any Soanierana Ivongo. Tsy nisalasala ireo tantsaha mpamokatra lavanila any an-toerana ny nangataka amin’ireo manampahefana isan’ambaratogany mba hampandrosoana ho amin’ity volana jona ity ny fanokafana ny tsenan’ny lavanila ao amin’izy ireo.
Miteraka tsy filaminana sy fifandonana izay mety hitarika hatrany amin’ny famoizan’aina ao Soanierana Ivongo ny fahataran’ny fotoam-piotazana ny vokatra lavanila koa mila jerena akaiky, hoy ireo raimandreny ara-drazana any an-toerana.
Fatiantoka ho an’ireo manana vokatra lavanila efa matoy ny tsy fahafahan’izy ireo mioty ny vokatra noho ny tsy maintsy hiatrehan’izy ireo ny asa ratsin’ireo mpandroba ny vokatra eny am-potony. Maro amin’ireo tantsaha, araka izany, no efa tsy matory an-trano intsony fa mandry eny an-tsaha ho fiarovana ny vokatr’izy ireo.


