FANADINANA ANDRANA CEPE : Nizotra nilamina sy nanaja ny fepetra ara-pahasalamana

Tamin’ny ankapobeny, nizotra tao anatin’ny firindrana sy filaminana ary fanarahana ny fepetra anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao ny fanadinana andrana CEPE, notanterahana teto an-drenivohitra, omaly.

Vonona, na teo aza ny fotoana tsy nianarana

Ho an’ireo mpianatra niatrika ny fanadinana andrana CEPE, hita soritra teny amin’ny endrik’izy ireo ny fahavononana. Maro amin’ireo sekoly rahateo no efa nahavita ny fandaharam-pianarana ary efa anatin’ny fanaovana famerenana tanteraka ankehitriny. Tombony ho azy ireo, araka izany, ny fanatanterahana ny « CEPE fotsy ». Nomarihan’ny mpanabe eo anivon’ny sekoly tsy miankina iray fa nisy fiantraikany ihany teo amin’ny lentan’ny fahaizan’ireo mpianatra sasantsasany ny fotoana tsy nianarana noho ilay « fihibohana sadasada ». Efa maro ny ezaka natao nentina nanentsenana izany, hoy hatrany izy ary tsapa fa efa tafarina amin’ny ankapobeny ny lesoka nateraky ny fotoana tsy nandiavana ny varavaran-tsekoly.

Manainga ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fanabezam-pirenena hatrany ireo mpampianatra, Ray aman-drenin’ny mpianatra ary ireo kilonga hiatrika ireo fanadinam-panjakana mba hamoaka anatin’ny fotoana fohy ny datim-panadinana hialana amin’ny fanahiana ny amin’ny mety tsy hisiany. Inoana fa efa an-dalana amin’ny famoahana ny tetiandrom-panadinana ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany misahana ny fanabeazana isorohana ny fisian’ny ahiahy tsy hihavanana izay mbola mitoetra ankehitriny eo amin’ireo mpianatra sy ny Ray aman-drenin’izy ireo.

Vous aimerez aussi