Nahitsy fitenenana ny filohan’ny vovonana Dinike, atoa Serge Zafimahova nilaza fa ireo olona marary sy mitondra ny tsimok’aretina coronavirus eto amintsika, dia andoavam-bola 300.000 ariary isan’andro eny amin’ny hopitaly izay itazomana azy ireo ary hiatohana sakafo. Nahazo fanampiana vola avy tamin’ny OMS isika hiadiana amin’ity valan’aretina ity. Nahazo izany ihany koa avy tamin’ny FMI sy ireo mpamatsy vola hafa mba hiadiana amin’io aretina io. Mahatratra amina miliara dolara any ho any ny vola azon’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Nankaiza ireo vola ireo ary nampiasaina tamin’inona ary inona ny zavatra mba novidian’ny fitondrana tamin’ireo vola fanampiana voaray ireo?, hoy ny fanontaniana napetraky ny filohan’ny vovonana Dinike. “Tsy misy mazava ny fitantanana izany ary mbola tsy nandre tamin’izao mpitondra izao izaho, mba nanazava ny fomba nitantana ireo vola ireo”, hoy hatrany izy. Mangataka amin’ny mpitondra fanjakana noho izany I Serge Zafimahova ary nilaza fa ataovy mangaraharaha ny fomba fitantanana ny fanampiana azo na vola na fanafody na fitaovana, hoy hatrany ny nambarany. Izay fitantanana mangaraharaha izay no notakian’ny vahoaka aminareo mpitondra ankehitriny, fa tsy misy ny fanazavana izany amin’izao. Manahy ny mety hisian’ny fipoahana ara-ekonomika koa ity mpitarika ny vovonana ity, raha ny heviny hatrany.


