MPANAO GAZETY ETO ANTANANARIVO : Nahazo fanampiana ara-tsakafo avy amin’ny fitondram-panjakana

Notanterahina tetsy amin’ny faritran’Ambohidahy ny fizarana sakafo ho fanampiana an’ireo mpanao gazety rehetra tsy ankanavaka eto amin’ny faritanin’Antananarivo. Vary milanja 25 kilao, menaka 2 litatra, siramamy 2 kilao ary savony iray baoritra, isan’olona no nozaraina androany maraina. Ny governoran’ny faritra Analamanga, Hery Rasoamaromaka izay nisolotena ny Filohampirenena no nanolotra sy nizara ireo fanampiana ireo ho an’ny mpanao gazety. Nambaran’ny governora, fa ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana isika ary ny mpanao gazety no tena miasa mafy amin’izao “Etat d’Urgence Sanitaire” izao, hoy izy ka rariny sy hitsiny raha toa ka tohanana sakafo ireo mpanao gazety ireo. Marihana, fa fanampiana ara-tsakafo avy amin’ny fitondrana foibe izao sakafo kely nanohanana ny mpanao gazety izao.

Vous aimerez aussi