Nisy ny fotoana nampirongatra be ny fanokafana sekoly tsy miankina saika manerana ny Nosy. Vokany, indrisy fa lasa “bizina” fitadiavam-bola fotsiny ihany sisa ilay asa masin’ny fanabeazana sy famolavolana ho Olom-banona sy mendrika.
Saika isaky ny elakelan-trano no ahitana sekoly tsy miankina eto an-drenivohitra. Efa nisy ihany ny hetsika natao tamin’ny alalan’ny fidinana ifotony nentina nanakatonana ireo sekoly tsy miankina hita fa tsy manaraka ny fenitra takian’ny lalàna. Anisan’ireny ny nitiliana ny toerana misy ny sekoly, ny fitaovana ampiasaina ary ny fari-pahaizan’ireo misahana ny fampianarana. Betsaka no efa nakatona saingy mbola maro ihany koa ireo mijoro mandraka ankehitriny.
Mila tohizana
Tsy vitan’ny hetsika anatin’ny andro maromaro fotsiny ihany ny fanafoanana ireo sekoly tsy miankina tsy manaraka ny fenitra noho izy ireo efa nahazo faka sy mipariaka manerana ny Nosy. Zava-dehibe ihany koa ny fanohizana ny fanaraha-maso akaiky momba ireo sekoly tsy miankina mijoro etsy sy eroa. Raha tanteraka izany, ho azo antoka fa ho tsara ny kalitaon’ny fanabeazana sy ny fampianarana omena ny zaza Malagasy. Ny gaboraraka sy ny tsy fanarahan-dalàna tokoa mantsy tsy hitera-bokatsoa na oviana na oviana.


