Azo sokajiana ho anisan’ireo fakon-dry zareo avy any Dilambato mihitsy raha ny fahitana ireo entana (Sakafo) sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro mitobaka eto amintsika. Ny endriny ivelany toy ny fonosany tokoa mantsy no manodoka entin’ireo mpamokatra azy ireny misintona ny Malagasy hanjifa azy ireny fa ny ao anatiny poakaty sy tsy manaraka ny fenitra ara-pahasalamana akory.
Tsongaina amin’ireny ny tsy fisian’ny daty mazava ahafahana mampiasa na manjifa ilay vokatra nohafarana avy any ivelany. Ohatra akaiky amin’ireny ny ronono am-by fotsy avy any ivelany izay mameno ny tsena anatiny eto Gasikara.
Tandrevaka ?
Mahavariana fa tafiditra malalaka eto Madagasikara ary amidy amin’ny vidiny mora tokoa raha ampitahaina amin’ny vokatra Malgasy izy ireny. Ny kalitaon’ireo vokatra avy any ivelany anefa tsy araka ny voasoratra sy ny sary hita amin’ny fonosany akory. Manana andraikitra voalohany amin’ ny fanaraha-maso izany ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana.
Misy tokoa ve izany ny tandrevaka sa mijanona ho “mistery” hatrany ny fomba nidiran’ireny vokatra tsy manara-penitra avy any ivelany eto Gasikara ireny ? Ahoana ihany koa ny momba ny hetra na haba takiana amin’izy ireny? Mahavariana mantsy fa eny amoron-dalana no ahitana azy ireny.
Tsy ny toe-karena anatiny ihany no potehan’ireny “fako vahiny” miditra antsokosoko eto amintsika ireny fa hitera-doza ho an’ny fahasalaman’ny Malagasy ny fitobahany etsy sy eroa. Iaraha-manaiky rahateo fa miaina tanteraka anatin’ny fahantrana Ramalagasy. Mila mailo, araka izany, ny rehetra amin’ny fijerena akaiky ny daty voasoratra ahafahana manjifa ireo vokatra avy any ivelany sy ny niavian’izy ireny. Antony iray goavana mampihena ny risipon’ireo Malagasy hamokatra sy hanodim-bokatra ihany koa ity gaboraraka amin’ny fidiran’ny entana vahiny tsy manaraka ny fenitra sy ny kalitao atao varoboba eto an-tanàna ity.


