FARITRA MENABE : Manankarena voly sy fiompiana omby saingy…

Ny fambolem-bary no ilofosan’ireo mponina any amin’iny faritra Menabe iny. Fantaro fa ny 77 % n’ny velarantany any an-toerana no rakotra voly vary avokoa. Velaran-tany kely sisa, araka izany, no ahitana voly hafa tahaka ny katsaka, mangahazo, vomanga. Tsy gisitra amin’ny famokarana voamaina toy ny kabaro sy tsaramaso ihany koa ny any Miandrivazo, Belo amoron’I Tsiribihina.

Misedra olana maro

Ampahany betsaka tamin’ireo vokatry ny tany avy any Menabe no nentina namatsiana an’Iarivo. Nampalaza an’I Menabe, ohatra, ny fanondranana kabaro tany aloha saingy noho ny tsy fisian’ny asa fanamboarana sy fanavaozana ny seranatsambo ao Morondava sy Morombe dia nofy sisa izany seha-pihariana namiratra izany.

Tsy ireo ihany ny karazam-boly nampalaza an’I Menabe fa eo koa ny vokatra voanjo avy any Manja, Morondava ary Mandabe. Misedra olana ireo mpamboly voanjo amin’ireo toerana ireo ankehitriny noho ny tsy fisian’ny mpandray ny vokatra hany ka maro no niraviravy tanana tanteraka sy tsy nanohy intsony ny fambolena voanjo. Misongadina amin’ny famokarana paraky I Miandrivazo saingy olana ny tsy fahampian’ny rano. Manampy trotraka ny fiovaovan’ny toetrandro izay mitarika fahasimbana eo amin’ny asa fambolena atao.

Tsy misy ny rafitra sy fomba fiasa matotra entina hanampiana sy hiahiana ireo mpamboly. Anisan’izany ny tsy fisian’ny fiofanana, famatsiana ambioka, zezika ary indrindra ny fitadiavana lalam-barotra hamoahana ireo vokatra.

Fiompiana omby tandindomin-doza

Manana ny lazany eo amin’ny sehatry ny fiompiana omby raha ny faritra Menabe. Tandindomin-doza anefa ankehitriny ity seha-pihariana sady kolontsaina any Menabe ity, noho ny tsy fisian’ny rafitra mazava mikasika ny tsenan’omby, ny fanaraha-maso sy ny fitiliana ara-pahasalamana ireo omby. Mbola manjaka any an-toerana ihany koa anefa ankoatra ireo ny asan-dahalo izay miha mahery vaika hatrany. Vokany, mihena hatrany ny isan’ireo omby any amin’ny faritra Menabe.

Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa fiarabe mpitondra omby miisa folo mahery isanandro no mitanjozotra mihazo ny renivohitra avy any Miandrivazo sy ireo kaominina manodidina. Mila handraisana fepetra maika, araka izany, ny tontolon’ny seha-pihariana fambolena sy fiompiana ataon’ireo mponina any amin’ny faritra Menabe mba tsy ho rava tanteraka ka hampitombo indray ny fahantrana efa mby an-koditra amin-dRamalagasy ankehitriny.

Vous aimerez aussi