Dimy taona an-tranomaizina, sazy mihatra. Izany no nampiharina tamin’ny olona iray, izay tokony hihiboka na hitoka-monina kanefa nandika izany ka mbola niriorio teny anivon’ny fiaraha-monina. Tany Rosia no nampiharana izany, vao andro vitsy monja izay.
Nahavelom-bolo ny fanasaziana satria tsy nisy intsony ny olona nandika ny lalàna taorian’ny fanapahan-kevitra noraisina. Mety ho henjana izany kanefa mahasoa ny mpiray monina rehetra.
Analamahitsy
Fandikan-dalàna tahaka izany koa no voalaza fa nataon-dramatoa iray tonga avy any Eoropa ary tsy tokony hivoaka ny tranony kanefa dia hita teny Analamahitsy.
Noho ny antson’ny manodidina dia nosamborin’ny mpitandro filaminana izy ka nalefa eny amin’ny hopitaly manara-penitra eny Andohatapenaka mba hanao ny fitokana-monina mandritra ny 14 andro.
Mila samborina, hoy ny Minisitry ny Fitsarana
Manana andraikitra ny Fitsarana, hoy ny Minisitra Johnny Richard Andriamahefarivo, manoloana ity valanaretina Coronavirus ity, io maraina io, nandritra ny fotoam-pambolen-kazo notanterahan’ny Ministerany.
Mba hiaravona ny aintsika, hoy izy dia mila samborina ireny olona ireny satria mety hiteraka zava-doza eo amin’ny fiaraha-monina manontolo noho ny tsi-fanarahana ny torohevitry ny Fanjakana.
Nasiany teny ihany koa anefa ny amin’ireo manely vaovao tsy marina, izay tena azo henjehina tokoa satria mampisavorovoro ny saim-bahoaka. Tsy vitan’ny heloka tsotra andavanandro izany fa mety ho henjana kokoa satria tena miteraka fanakorontanana sy ahiahy.
Areti-mandoza
Areti-mandoza loatra ity Coronavirus ity satria mieli-patrana manerana an’izao tontolo izao. Ho an’ireo kaontinanta matanjaka, toa an’i Eoropa dia efa sahirana ny mpitondra sy ny vahoaka ao aminy, satria efa tsy omby ireo marary intsony ny hopitaly.
Izany no nahatonga ny Fikambanana Iraisam-pirenena misahana ny Fahasalamana maneran-tany (OMS) ho nampitandrina fatratra ny kaontinanta afrikana, satria efa miha-maro ireo firenena voan’ity valanaretina ity.
Tsy mbola misy fanafodiny loatra manko ity valanaretina ity fa ny andrana samihafa no mbola ataon’ireo mpitsabo mpikaroka.
Dieny tsy mbola misy eto Madagasikara, noho izany, ny aretina dia ilaina ny fitandremana hentitra.
Zava-dehibe ny fampahafantarana sy ny fisorohana azy io ary deraina manokana ny tompon’andraikitry ny Polisy sy fikambanana samihafa satria manentana ny mponina momba izany izy ireo.
Mba ho to tokoa ny hoe miaro ny vahoaka !


