RAHARAHA RABEKOTO RAOUL ARIZAKA : Hivoaka amin’ny 24 martsa ho avy izao ny didim-pitsarana

Ny alarobia lasa teo no niakatra fitsarana ny raharaha mikasika momba ny tale jeneralin’ny Cnaps teo aloha, Rabekoto Raoul Arizaka no sady filohan’ny FMF niaraka tamin’ireo olona voarohirohy niaraka taminy. Olona efatra no niatrika fitsarana tamin’io, ka anisan’izany ny vinantolahiny sy ny olona telo hafa. Ireto farany izay voambara, fa anisan’ny nampandositra io tale jeneralin’ny Cnaps teo aloha io. Araka ny fanazavana voaray, dia amin’ny faha 24 martsa ho avy izao no hivoaka ny didim-pitsarana mikasika ity raharaha ity. Tsiahivana, fa voarohirohy ho nanodikodim-bolam-panjakana tamina miliara tao amin’ny Cnaps nandritry ny fotoana nitantanany ity tale jeneraly teo aloha ity. Nisy ny fampiantsoana azy teny anivon’ny Bianco indroa, saingy, tsy namaly ny antso izy. Namoahana didy fampikarohana sy fampisamboarana ihany koa ary teo ny IST na “Interdiction de Sortie du Territoire” azony , fa tsy nipoitra mihitsy ranamana. Nisy olona 7 voasaringotra niaraka taminy, ka ny telo nahazo fahafahana vonjy maika. Ireo 4 ireo kosa no niatrika fitsarana ny alarobia lasa teo ary andrasana amin’io herinandro io ny didim-pitsarana, araka ny fantatra.

Vous aimerez aussi