KANDIDA BEN’NY TANÀNA NAMETRAKA FITORIANA FANDRAVANA DIDY : Nahatratra 400 ireo fitoriana voarain’ny filan-kevim-panjakana

Araka ny tatitra nataon’ny filan-kevim-panjakana momba ireo fitoriana nataon’ireo Ben’ny tanàna izay tsy afa-po tamin’ny vokam-pifidianana farany teo, dia nahatratra 400 teo ireo fitoriana voarain’ny filan-kevim-panjakana momba izay fitoriana izay. Hifarana rahampitso zomà 20 martsa ny fandraisana ny fitoriana izay hataon’ireo kandidà ben’ny tanàna izay nilatsaka ho fidiana farany teo. Voalaza fa tokony hisy porofo avokoa ireo fitoriana voaray ireo, hoy ny tatitra azo. Misy sonia ve ilay fitoriana napetraka. Mitombina araka ny lalàna ve ary raha averina ny fifidianana, dia araka ny lalàna ihany koa ve izany, sa fitoriana fandravana didy no takian’ireo kandidà nametraka fitoriana ireo?. Andrasana ny mety ho tohin’ity fitoriana fandravana didy napetrak’ireo kandidà ben’ny tanàna ireo, tany amin’ny filan-kevim-panjakana izay mamoaka ny didy raikitra.

Vous aimerez aussi