Taorian’ny ampamoaka nataon’ny filoha lefitry ny Ceni teo aloha, Thierry Rakotonarivo, mikasika ny anarana miverin-droa tao anaty lisim-pifidianana sy ny karapanondro maro mitovy laharana, dia mahatsapa ny depiote voafidy tao amin’ny boriborintany faha enina Todisoa Andriamampandry, fa anisan’ny lasibatra tamin’ny fisian’ireo anarana miverin-droa sy ireo karapanondro an-tapitrisany misy anarana mitovy ny tenany nandritry ny fifidianana solombavambahoaka farany teo. Nambarany, fa tsy tokony ho ity filoha lefitry ny Ceni teo aloha ity ihany no hanaovana fanadihadiana, fa ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Ceni foibe mikasika ny lisim-pifidianana, ny karapanondro maro mitovy laharana, sns. Nangataka ny hanoloana ireo mpikambana ao amin’ny Ceni koa ny depiote, fa tsy atokisana amin’ny fikarakarana ny fifidianana manaraka eo izy ireo. Aleo hahaleo-tena tanteraka ny Ceni izay hikarakara ny fifidianana, mba tsy hisian’ny hosoka, ny anarana miverin-droa sy ny karapanondro maro toy ny hita teo aloha iny. Tokony hamboarina tanteraka ny lisi-pifidianana sy mikasika ny fifidianana rehetra vao miroso amin’ny fifidianana tena izy sy ara-demokratika, hoy hatrany ity solombavambahoaka ity.


