ROVAN’ANTANANARIVO : Hamboarina sa havaozina ?

Velombolo ny rehetra fa ho vita ny Rovan’Antananarivo. Velon’ahiahy kosa anefa ireo mpahay tantara sy ireo mpiaro sy mpandala ny soatoavina  raha nahafantatra fa hisy fanovàna betsaka ny Rovan’Antananarivo rehefa vita tanteraka ny asa hatao eny an-toerana.

Hamboarina sa havaozina ?

Tsy mitovy ny hoe : Hamboarina sy ny Havaozina. Ny hamboarina dia tsy kitihana mihitsy na ovaina ny endriny sy ny akora nentina nanaovana azy. Ezahana tazonina tanteraka, araka izany, ny maha izy azy ilay vakoka (ny tantarany, ny antom-pisiany, ny anjara asany tamin’izany,…). Ireo simba ihany no ezahana harenina sy hamboarina hiverina tahaka ny teo aloha araka izay azo atao.

Ny  havaozina kosa indray dia hitondrana fanovàna ary misy mihitsy aza ny famoronana foto-drafitrasa vaovao eo amin’ilay toerana iorenan’ilay vakoka hita maso. Midika fa mety tsy ho voahaja intsony ny soatoavina voarakitra. Raha tsiahivina, dia naorina ho lapan’andriana ny Rovan’Antananarivo fa tsy natao mihitsy ho tranom-bakoka akory.

Mila tandrovana

Mila tazonina ary arovana tahaka ny anakandriamaso, araka izany, ny hasina maha lapan’Andriana ny Rovan’Antananarivo,  fa raha tsy izay no tanteraka, dia mandiso ny tantara ihany isika mianakavy koa mety ho ratsy fiafara.  Saino sy diniho ihany fa manan-kasina loatra raha I Gasikara. Mila hajaina tokoa mantsy ny soatoavina mba tsy ho diso lalana isika taranaka mpandimby aty afara. Tsara ny finiavana hanarina ny Rovan’Antananarivo fa mila hajaina ny tantarany sy ny soatoavina nijoroany.

Vous aimerez aussi