ASA TANANA MALAGASY : Lasan’ny vahiny avokoa ny akora fototra

Misedra olana ny asa tanana malagasy. “Ho anay izay mampiasa ny hodi-biby  misy dia misy tokoa ity akora fototra ity saingy lasan’ireo teratany vahiny avokoa. Izay sisa tsy laniny no mba ampiasainay”, hoy ny mpanao asa tanana Malagasy nitafa taminay.

Vidian’ireo vahiny amin’ny vidiny lafo ireo akora fototra ary misy mihitsy ny fidinana ifotony ataon’izy ireo amin’ny fanangonana azy ireny, hoy hatrany ilay Raim-pianakaviana misehatra amin’ny asa tanana.

Ireo mpivarotra ireny akora fototra ireny ihany koa, satria vola no tadiaviny, izay sahy mivanga lafo no andefasany azy. Ny Malagasy, noho ny fahefa-mividy tsy mitovy, dia mihafihafy, mianona amin’izay kely azon’ny vola eo ampelan-tanana.

Tsy ireo mpampiasa hodi-biby ihany no miaina amin’ny fahasahiranana toy izany fa ireo mpanao asa tanana amin’ny ankapobeny mihitsy.

Manaitra

Manaitra ny sain’ireo tomponandraikitra sy ny Minisitera mpiahy mivantana azy ireo, araka izany, ireo mpanao asa tanana Malagasy mba hijery akaiky azy ireo. Manamafy izy ireo ny amin’ny tokony hametrahana maika ny lamina eo amin’ny fahazoany akora fototra. Raha izao no mitohy, ampoizina fa ho maro ireo trano fanaovana asa tanana no hikatona tsy ho ela. Hitombo isa indray izany ireo tsy an’asa eto amin’ny tanàna ! Izay tokoa ve ilay fanovàna nodradraina hatramin’izay ?

Vous aimerez aussi