Maina ny tany noho ny tsy fisian’ny rotsakorana amin’iny tapany atsimon’ny Nosy iny. Vokany, mihasarotra ny fahitana rano toy ny any Ambovombe. Sandaina hatrany amin’ny 4000 Ar, ohatra, ny iray ” bidon” mavo amin’ny rano any amin’ny kaominina Maroaloka, distrikan’Ambovombe. Mahavita hatrany amin’ny 20 km dia an-tongotra ireo mponina any an-toerana amin’ny fitadiavana ny rano. Ireo olona manana vovon-drano dia nahatsikaritra fa nihena hatrany amin’ny antsasa-manila ny tahan’ny rano azo avy amin’ny vovo any Androy ankehitriny.
Efa manomboka misy fiantraikany goavana eo amin’ny sehatry ny fambolena ity toe-javatra ity. Maina ny ankamaroan’ireo voly ary tsy afa- bela amin’ny fahafatesana vokatry ny tsy fahampian’ny rano ihany koa ny biby fiompy. Sahirana amin’ny fitadiavana sakafo, araka izany, ireo mponina any atsimo. Manangasanga any an-toerana indray ny “kere”.
Fitaovana politika ?
Saika ho isan-taona no miaina haintany sy kere toy izao ny faritr’Androy. Ireo mpitondra nifandimby anefa toa ninia nikipy sy mody fanina tsy nametraka vahaolana maharitra fa finaritra fotsiny ihany mampiasa ny toe-java-misy any an-toerana ho fitaovana politika ho enti-manatsara sy hisehoana amin’ny vahoaka fa efa mandray andraikitra amin’ny vahaolana petatoko sy tsy maharitra. Misongadina amin’izany ilay fidinana ifotony ataon’ireo tompon’andraikim-panjakana amin’ny fizarana sakafo “tsy mahavita andro” akory mba tsy hilazana hoe “tsy mahavita taona”. Tsy re be tsy re kely intsony tokoa mantsy ilay tetikasa goavana be nankalazaina fatratra ho amin’ny alalan’ny fametrahana fantsona an-kilaometatra maro ahafahana mitarika ny rano ho an’ireo mponina. Mila fandraisana andraikita maika sy vahaolana maharitra ny olan’ny haintany sy ny kere any atsimo fa mijaly ny Malagasy mpiray tanindrzana amintsika. Ny fanatanterahana izany no tena fitiavan-tanindrazana sy fikatsahana fanovàna ary fizorana any amin’ny fampandrosoana marina. Ndeha tanteraho !!!!


