RMDM : Hanangana lapan’ny fanoherana

Tapaka taorian’ny fivoriamben’ny antoko RMDM na Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara, fa hanangana ny lapan’ny fanoherana manerana ny nosy izy ireo, mba ahafahan’ireo mpanohitra na tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana, hitondra hevitra sy sosokevitra na fanakihanana amin’ny zavatra tsy mety ataon’izao fitondrana izao. Hanara-maso ny raharaham-pirenena, hitsikera ary handroso sosokevitra koa ny RMDM. Tsy hanohitra be fahatany ny RMDM sy ireo mpikambana ao aminy, fa mijoro ary sahy hilaza ny zavatra tsy mety rehetra. Marihana, fa efa miparitaka manerana ny nosy ny mpikambana ao amin’ny RMDM ary izao hametraka ny lapan’ny fanoherana manerana ny faritra izao koa.

Vous aimerez aussi