Nifarana ny sabotsy 15 febroary 2020 lasa teo ny fisoratana anarana ao anaty lisim-pifidinana. Famaranana vonjimaika ihany io araka ny nambaran’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI.
Hita anefa, araka ny fanazavan’ireo sefo fokontany nanaovana ny fanadihadiana, dia malaina manoratra ny anarany ao anatin’ny fanavaozana ny lisim-pifidianana nataon’ny CENI ny olom-pirenena. Antony maro no mahatonga izany, hoy ny fokontany. Voalohany, tonga manamarina ny anarany ao anaty lisitra ireo olom-pirenena, koa rehefa tonga ny fifidianana izay atao dia tsy hita ao ny anarany. Faharoa, leo amin’ny fanodikodinana ny safidiny ireo olona ireo. Ankilany izany rehetra izany, ny halabato. Fahatelo, leo an’ireo mpanao politika nofidiana hatramin’ny nisiany ny fifidianana teto ireo olom-pirenena ireo, izany hoe nandiso fanantenana ary tsy nisy tombony azon’izy ireo taminy, (ndlr : namitaka, tsy nanatanteraka ny programan’asany nataony tamin’ny fampielezan-kevitra sy ny tokony nomeny ary ny velirano, sns).
Vitsy, zara raha nisy olona 3 na 5 no tonga nijery sy nanamarina ary nanoratra ny anarany tao anaty lisitra, ny sabotsy teo. Mbola manao antso avo amin’ny olom-pirenena, indrindra fa ireo rehetra feno taona sy nahazo karapanondro mba hisoratra eny amin’ny fokontany hatrany ny CENI, na dia nifarana vonjy maika ny sabotsy lasa teo aza izany.


